DÉPUTÉ TRATRA NANONDRANA SOKATRA 112 OMALY HARIVA.

521 0
Député iray voafidy tany @ faritra Itasy no tratra nanao fanararaom-pahefàna ka nahatratrarana sokatra miisa 112.
Omaly 24 Desambra 2024 tokony tamin’ny 07 ora sy 10 minitra alina,nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana–paritra Antehiroka dia nahatsikaritra fiara roa ninjanona teo amin’ny sisin-dalana teo Morondava, fokontany ao ihany, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo izy ireo.
Nisy olona namoaka valizy avy tao anaty fiara marika AUDI ka namindra io valizy io tao amin’ny fiara iray hafa marika JEEP.
➡️FEPETRA NORAISINA RAHA VAO NAHITA IO TRANGA IO
-Nijanona avy hatrany ireo zandary mpanao fisafoana ary nanontany ny mombamomba ireo olona tao anatin’ireo fiara roa ireo.
-Nisy tamin’ireo olona tao anatin’ny fiara nilaza fa député kanefa tsy nampiseho taratasy ahafahana manamarina izany.
Tsy nanaiky ny fisavana ny fiarany moa io nilaza fa solombavam-bahoaka io satria manana immunité parlementaire araka ny voalazany.
-Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny zandary ka nanaiky ny nanaraka tany amin’ny biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka izy ireo.
– Nanaiky an-tsitrapo ny fisavana ny fiara moa ilay nilaza fa député ka teo no nahitana fa « sokatra » miisa 112 no tao anatin’ilay valizy.
-Notazomina ary atao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka ireo rehetra voarohirohy sy ireo sokatra miisa 112.
-Nogiazana ny fiara miisa roa izay voalaza etsy ambony.
MISOKATRA NY FANADIHADIANA.
TSY MISY AMBONIN’NY LALANA
VOARARA NY FANONDRANANA SOKATRA
Loharanom-baovao : Pejy Vaovao Androany

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀.

Posted by - avril 11, 2025 0
𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…