DÉPUTÉ TRATRA NANONDRANA SOKATRA 112 OMALY HARIVA.

262 0
Député iray voafidy tany @ faritra Itasy no tratra nanao fanararaom-pahefàna ka nahatratrarana sokatra miisa 112.
Omaly 24 Desambra 2024 tokony tamin’ny 07 ora sy 10 minitra alina,nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana–paritra Antehiroka dia nahatsikaritra fiara roa ninjanona teo amin’ny sisin-dalana teo Morondava, fokontany ao ihany, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo izy ireo.
Nisy olona namoaka valizy avy tao anaty fiara marika AUDI ka namindra io valizy io tao amin’ny fiara iray hafa marika JEEP.
➡️FEPETRA NORAISINA RAHA VAO NAHITA IO TRANGA IO
-Nijanona avy hatrany ireo zandary mpanao fisafoana ary nanontany ny mombamomba ireo olona tao anatin’ireo fiara roa ireo.
-Nisy tamin’ireo olona tao anatin’ny fiara nilaza fa député kanefa tsy nampiseho taratasy ahafahana manamarina izany.
Tsy nanaiky ny fisavana ny fiarany moa io nilaza fa solombavam-bahoaka io satria manana immunité parlementaire araka ny voalazany.
-Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny zandary ka nanaiky ny nanaraka tany amin’ny biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka izy ireo.
– Nanaiky an-tsitrapo ny fisavana ny fiara moa ilay nilaza fa député ka teo no nahitana fa « sokatra » miisa 112 no tao anatin’ilay valizy.
-Notazomina ary atao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka ireo rehetra voarohirohy sy ireo sokatra miisa 112.
-Nogiazana ny fiara miisa roa izay voalaza etsy ambony.
MISOKATRA NY FANADIHADIANA.
TSY MISY AMBONIN’NY LALANA
VOARARA NY FANONDRANANA SOKATRA
Loharanom-baovao : Pejy Vaovao Androany

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…