饾悈饾悁HA饾悓饾悁饾悎饾悪饾悁饾悕饾悁 饾悡饾悗饾悇饾悜饾悁饾悕饾悁 饾悈饾悎饾悡饾悜饾悁饾悕饾悆饾悜饾悁饾悋饾悁饾悕饾悁 饾悤饾悁饾悡饾悗

255 0
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato 芦聽Spectrolyte na pierre de lune聽禄 ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23 Desambra 2024 tokony ho tamin’ny 12 Ora atoandro.
Nidina tany antoerana avy hatrany ny mpikambana ao amin’ny OMC Distrikan’ Andilamena izay notarihan’ny lehiben’ny Distrika sy ny Delege misahana ny mponina nijery maso ny zava-misy sy nanao ny fandiadiana.
Fantatra nandritra izany fa niainga avy any Avaratra Antsinana tao amin’ny tranokelin’olona iray avy amin’ny afon- dakozia ary notsofin’ny rivotra narahina tadiho nianatsimo ny afo ka mora nahazo aina ary nandoro ny 80 % ireo trano vita amin’ny zozoro sy bozaka nitoeran’ireo mpiasa mpangady vato sy mpivarotra mitondra entana amidy any antoerana.
Maro noho izany ireo entana sy fitaovana lasa lavenona ary Olona roa tavela tao anaty lavaka fitrandrahana vato no sempotry ny setroka ka namoy ny ainy, fa tsy nisy Kosa ny naratra
Niala tamin’io toeram- pitrandrahana io araka izany ireo vahoaka avy amin’ny lafivalon’ny Nosy noho ireo fahapotehan’ny entana sy ny trano ary nihazo niakahra namonjy ny Renivohitra Andilamena ny ankamaroany.
Nanome toro marika moa ny mpitandro ny filaminana mba hijerena sao hisy ny fioharam- pefy na fanararaotana aton’ny sasany indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao ary nomena toro marika ihany koa ireo izay tsy tratran’ny afo ka mbola manohy ny asa mba ho mailo ary hanisy elanelana ny trano mba ho mora amin’ny manaraka ny mifehy ny loza raha sanatria mbola hisy.
馃摑 饾懗饾拹饾挆饾拏 饾懕饾拏饾拸饾拏虁

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - ao没t 14, 2024 0
饾悂饾悇饾悡饾悞饾悁饾悐饾悁 饾悎饾悜饾悇饾悗 饾悗饾悑饾悁饾悕饾悁 饾悞饾悇饾悆饾悜饾悁饾悎饾悕’饾悕饾悩 饾悡饾悗饾悂饾悩 饾悐饾悜饾悎饾悞饾悡饾悩 饾悓饾悁饾悕饾悁饾悈饾悁饾悐饾悁 饾悎饾悂饾悗饾悜饾悁 饾悐饾悁 饾悎饾悑饾悁饾悕饾悩 饾悈饾悁饾悕饾悗饾悓饾悇饾悪饾悁饾悕-饾悡饾悁饾悕饾悁饾悕饾悁 饾悁饾悤饾悩 饾悁饾悓饾悎饾悕’饾悕饾悩 饾悡饾悞饾悎饾悜饾悁饾悎饾悜饾悁饾悩. 饾悓饾悘饾悎饾悗饾悓饾悁饾悕饾悁 饾煏饾煆 饾悓饾悎饾悁饾悕饾悁饾悆饾悁饾悋饾悩 饾悕饾悗 饾悤饾悗饾悁饾悡饾悗饾悐饾悁饾悕饾悁 饾悋饾悗…