π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ 𝐍𝐘 π“π€πŽπŒ-ππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ 2024-2025 π‡πŽ 𝐀𝐍’πˆπ‘π„πŽ π’π„πŠπŽπ‹π˜ πŠπ€π“πŽπ‹πˆπŠπ€ π€π“πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πƒπˆπŽπ’π„π™πˆπ’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€

413 0
Notanterahina tao amin’ny CathΓ©drale Ambatoambo Ambatondrazaka ny marainan’ny Alarobia 20 Novambra 2024 teo ny Sorona Masina fitrotroana am-bavaka ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny Sekoly KatΓ΄lika ato anatin’ny Diosezin’Ambatondrazaka.
Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro, sy ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Ambatondrazaka ary ny sefo ZAP Ambatondrazaka.
Β« Sekoly katΓ΄lika mijoro, manabe ny olona manontolo, ho antoky ny ho avy Β» moa no lohahevitra ianan’ireo sekoly amin’ity taom-pianarana ity ary mpianatra sy mpanabe aman-drivony no tonga niara-niombo-bavaka tamin’io fotoan-dehibe io.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ |π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧-π€π¨πŸπ’ππ’πšπ§β€™π’ 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…