โฆKila tsy misy azo ampisaina fitaovana lafo vidy ireto rehefa nisehoana hain-trano ny toerana nisy azy ao Ankiakabe kaominina Ambanivohitra Ambalakirajy distrikan`i Mandritsara.
Alin`ny alatsinainy 11 novambra tokony tamin`ny 2 ora maraina teo no nitranga ny voina ka nahamaizana fitaovana fanamboarana fanaka ireto. Milina isankarazany no tsy nisu azo raisina, fatiantoka tanteraka no atrehin`ny tompony, tapaka ny asa fihariana. Misanda any ho any amin`ny 40 tapitrisa ny zavatra potika, vinavinain`ny fokonolona ho nisy nandoro ny toerana ka tsy fantatra hatreto ny tompon`antoka.
Avy hatrany nandray fepetra ny fokonolona, nanao tsipaipaika ho an`ny potika fananana ary hanao andrimasom-pokonolona ihany koa.