Tsy maintsy ataontsika ny hanenana hatrany amin’ny 80% farafahakeliny ny delestages

398 0
Tsy maintsy ataontsika ny hanenana hatrany amin’ny 80% farafahakeliny ny delestages eto Antananarivo sy ny hahafahan’ny olona miasa. Tetibola mihoampampana no atokan’ny Fitondram-panjakana hanampiana ny JIRAMA ka tsy ekena kosa raha efa ampandeferina ny vahoaka no tsy tomombana ny tolotra omena azy ireo.
Toromarika no nomeko ny hampandehanana ireo groupes TAC goavana ao Ambohimanambola na dia eo aza ny fandaniana solika 300 tapitrisa ariary isan’andro takian’ny fampandehanana azy ireo. Hanampy izany ny fanetsehana ireo groupes rehetra eo anivon’ny JIRAMA mandeha amin’ny fuel lourd.
Ho an’ny lavitr’ezaka dia hatramin’ny 1000MW ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina hapetraka manerana ny Nosy. 250MW amin’izany dia avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fitondram-panjakana madiodio.
Mafy ny hiainantsika ankehitriny fa ny tenako manokana dia tsy maintsy hiaro ny vahoaka Malagasy, hitondra ny vahaolana ary hitondra hazavana isaky ny tokantrano.
Loharanom-baovao : SE.AndryRajoelina

Related Post

KAOMININA ANOSY AVARATRA

Posted by - décembre 26, 2023 0
20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…