Tsy maintsy ataontsika ny hanenana hatrany amin’ny 80% farafahakeliny ny delestages

163 0
Tsy maintsy ataontsika ny hanenana hatrany amin’ny 80% farafahakeliny ny delestages eto Antananarivo sy ny hahafahan’ny olona miasa. Tetibola mihoampampana no atokan’ny Fitondram-panjakana hanampiana ny JIRAMA ka tsy ekena kosa raha efa ampandeferina ny vahoaka no tsy tomombana ny tolotra omena azy ireo.
Toromarika no nomeko ny hampandehanana ireo groupes TAC goavana ao Ambohimanambola na dia eo aza ny fandaniana solika 300 tapitrisa ariary isan’andro takian’ny fampandehanana azy ireo. Hanampy izany ny fanetsehana ireo groupes rehetra eo anivon’ny JIRAMA mandeha amin’ny fuel lourd.
Ho an’ny lavitr’ezaka dia hatramin’ny 1000MW ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina hapetraka manerana ny Nosy. 250MW amin’izany dia avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fitondram-panjakana madiodio.
Mafy ny hiainantsika ankehitriny fa ny tenako manokana dia tsy maintsy hiaro ny vahoaka Malagasy, hitondra ny vahaolana ary hitondra hazavana isaky ny tokantrano.
Loharanom-baovao : SE.AndryRajoelina

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…