RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

269 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10 nanomboka ny 10 oktobra lasa teo.
Gasoil 7950 Litatra , Lasantsy 11410 Litatra ,moto_Pompes 08, moto 05 ,fiara 04 ireo no sarona. Camion citerne 04 ihany koa nogiazana.
Maka « gasoil « izy ireo ka tapohany pétrol ary amidy atao varo_maizina avy eo ka any amin’ny faritra Avatry Toamasina iny no amarotan’izy ireo izany.
Fiaraha-miasa teo zandarimariam_pirenena sy ny OMH noho ny fitarainan’ ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo no nahazoana ireto mpanao ratsy ireto.
Atolotra ny fitsarana anio 22 Oktobra 2024 izy 24 mianadahy ireto.Lalàna maromaro no azo anenjehana azy ireo raha ny fanazavana.
Loza mitatao ary mitera_doza ny tranga toy izao ka miantso fahamailoana ny avy eo anivon’ny OMH ary miantso ny mpanjifa mba hividy solika eny amin’ny toerana efa voatokana hanjifana izany.
📝M.Elvina

Related Post

Fandaharan’asa RINDRA

Posted by - septembre 30, 2024 0
Nanao ezaka hatrany ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (EDF), amin’ny fanamafisana ny sehatry ny…

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…