ππ€πŠπ€π“πŽππ€ 𝐍𝐘 π‰πˆπ‘π€πŒπ€ π„π“πŽ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€

33 0
Kaominina Sabotsy Namehana, manampy an’ireo Sampandraharaha samy hafa, izay manao asa mipaka amin’ny vahoaka.
Ankoatry ny fanomezana trano ampiasain’ny Β« Centre d’ecoute Β»FANIRIANTSOA, ivon-toerana iray hitarainan’ireo niharan’ny herisetra, hanoroana hevitra azy ireo ihany koa, miampy fanomezana trano hiasana ka hizarana ny volan’ireo Mpisotro ronono ety amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina, dia fantatra koa ankehitriny fa hanome efi-trano iray hoan’ny Jirama ihany koa ity Kaominina ity ho ampiasaina handraisana ny saran’ny jiro sy rano hoan’ny vahoaka, satria araka ny efa notanterina teto dia nikatona tanteraka manomboka ny Alatsinainy 30 septambra 2024 lasa teo ny ratsamangaikan’ny JIRAMA eto Sabotsy Namehana.
Azon’ny Mpanjifan’ny Jirama atao koa anefa ny manatitra izany eny Analamahitsy araka ny fanazavan’ireo Tompon’andraikitra.
Hatreto aloha dia mbola tsy nisy nipika hoe Β« fa naninona no nakatona ity ratsa-mangaikan’ny Jiro sy Rano Malagasy eto Sabotsy Namehana ity, na dia maro aza ireo tsiloan-tsofina mifamahofaho mahakasika izany Β» Ireo Tompon’andraikitra izay nohatonina nangataham-panazavana koa dia ninia tsy nilaza na inona na inona, mahakasika ity fikantonana tampoka ity.
Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post