HAI-TRANO | KILA FOREHITRA NY TOBY AVOKO BEVALALA AMBOHIDRATRIMO

548 0
POTIKA NY AKANY AVOKO BEVALALA AMBOHIDRATRIMO KA MIANTSO NY REHETRA IZY IREO HIARA-HANARINA NY TOBY.
Nitrangan’ny hain-trano mahatsiravina ny Akany Avoko ao Bevalala Ambohidratrimo omaly zoma 20 Septambra hariva. May avokoa ny 80%n’ireo trano fitaizana ny ankizy ao amin’ity Toby ity.
Tsy misy azo noraisina ireo fitaovana ny farafara fandriana (superposés), ny kidoro, ny akanjo amam-pitafiana sy ny fitaovam-pianarana rehetra. Miisa 34 ireo ankizy voakasika mivantana an’izao voina izao raha 52 isa no beazina ao amin’ny Akany.
Manoloana izany dia miantso ny rehetra tsy ankanavaka ry zareo ao amin’ny Akany Avoko Bevalala mba hanampy azy ireo hanao asa fanarenana ny toby sy ny fameranana ireo fitaovana potika ireo.
Niara-nientana tamin’ny famonoana ny afo ny tompon’andraikitra avy tao amin’ny kaominina Ampanefy sy ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny zandary ary ny fokonolona.
Voalaza fa « court-circuit panneaux solaires » no nahatonga an’izao loza izao.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…