𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π•πŽπŠπ€-ππ€π‘π˜ π€π“π˜ π€π‹π€πŽπ“π‘π€

16 0
Ny Alatsinainy 16 Septambra 2024 no nanombohana tamin’ny alalan’ny atrik’asa ireo asa fanamboarana ireo digy amin’ny Valley mariane sy PC 15.
Nisy araka izany ny fampahafantarana ireo asa maika tsy maintsy ho atao, sy ireo asa rehetra ho tanterahana ary ny tanjona tokony ho tratrarina nandritra ny 05 taona hanatanterahana ny tetik’asa Riz Plus, izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena Vola.
Nanatrika izany ny Solombavam-bahoaka ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick izay nanamafy fa tsy maintsy hanara-maso ny fizotrin’ireo asa fanamboarana satria efa ela no nampitaraina ny vahoaka ny fahasimban’ireo digy ireo.
Nanontrona sy nanome voninahitra ny atrik’asa moa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy avy ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro notarihan’ny PrΓ©fet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA DieudonnΓ© sy ny Governora Guy RAMAROSANDRATANA.
Nangonin’i 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post