MIPETRAKA FILAMATRA EO AMIN`NY FIARAHAMONINA NY FIANAKAVIANA TSY HOMANA AMALONA AMBALAFARY MANDRITSARA

572 0
Isany fianakaviana mbola maneho ny fifanajana sy fifankatiavana eo amin`ny fiarahamonina misy azy ny fianakaviana tsy Homana amalona ao Ambalafary kaominina Kalandy distrikan`i Mandritsara. Mipetraka ho filamatra amin`ny lafiny maro izy ireo eo anivon`ny firahamonina. Miainga avy amin`ny fanajana ny razam-be taloha sy ny kolontsaina ary ny harena navelany. Mampiavaka ny foko Tsimihety manontoo rahateo ny fanomezana haja ny ray amandreny efa lasanko razana ka aseho amin`ny fomba miavaka izay feno voninahitra.
Omaly alatsinainy 16 septambra 2024, lanonambe no natao tao Ambalafary fanadiovana sy fanarenana ny Fisoronana « Andohomby » teo koa ny famangiana ny fasan-drazana misy ny oloben`ny Tsy homana amalona. Miantso ny tokony hanamafisana fifankatiavana sy fifanajana ny Ray amandreny ao anatin`ny fianakaviambe ity. Ny fahadiovana sy fanomezana hasina ny lova napetraky ny Ray amandreny, isan`izany ny rano lehibe « Matsabôry Lanilaizana » izay niandohan`ny tananan`Ambalafary sady fiveloman`ny RAD fahiny ka lasa tsy voahaja intsony ankehitriny. Naverina ny hasin`izany amin`izao izay niantsoana mpanjaka avy ao Ampomby. Nitaona ny fianakaviana tsirairay samy hitandro toy ny anaka andriamaso ireo harena sy lova ara-drazana ireo ny Sojabe ao anatin`ny fianakaviana, nahitana ny Ray amandreny an-tanana sy monina an-tany lavitra.
Vahoaka an-drivony no tonga nanome voninahitra izany omaly, samy niombom-po naneho ny fanajany ny fomba. Ankoatra ny fikarakaran`ny ao an-tanana dia tsy niraviravy tanana koa ny RAD zanaky ny Tsy homana amalona any lavitra fa mba tonga nitarika ny hetsika ary nandray anjara betsaka tamin`ny fikarakarana ny Profesora Zafilaza, nifarimbonan`ny vahoaka maro sy ireo nasaina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - août 14, 2024 0
𝐁𝐄𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐄𝐃𝐑𝐀𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐘 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐁𝐎𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐈𝐑𝐀𝐘. 𝐌𝐏𝐈𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀 𝟕𝟏 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐀𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎…