Bassin eny amin’ny tetezan’i Bekiraro: Mampiady ny mpanjifa ireo tomponandraikitra

458 0
Maro ireo olona mampiasa ny bassin fanasan-damba eny amin’ny tetezan’i bekiraro izay mitaraina fa anjakazakan’ireo mpikarama ny bassin iombonana.
Araka ny lamina napetraka hatrizay dia (Bac) iray ny an’olona iray ary tsy azo atao ny mamandrika toerana mialoha fa izay tonga aloha no mampiasa izany.
Tsy izay nefa no misy amin’izao fotoana izao fa ireo mpikarama rehefa tonga dia manongotra ireo olona efa manasa lamba eo, ka lasa ady no hiafarany.
Tsy vao izao ity tranga ity fa efa ela no nisian’ny disadisa manoloana izany.
Ireo tompon’andraikitra moa dia mitango vola fotsiny fa tsy misy fanaraha-maso an’ireo mpanjifa hoy ireo olona mampiasa ny bassin eny an-toerana.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…