Fort-Dauphin – Notokanana ny Sekoly EPP Ambinanibe

105 0
Androany faha 16 Aogostra 2024 no notokanana ny Sekoly EPP Ambinanibe Fort-Dauphin ao amin’ny ZAP 3 CISCO Tolagnaro izay nahitana efitrano malalaka miisa 02 sy efitrano famakiamboky 01 .
Tsara marihana fa ity Sekoly izay ity dia efa misy dabilio miisa 50 .
Tonga nanatrika izao fanokanana izao ny Gouvernora ny Faritra ANÔSY sy ny solombavambahoaka izay voafidy teto TOLAGNARO Andriamatoa Chabani NORDINE sy ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana izay nahitana ny Mpitantana ny DREN ANÔSY, tom-ponandraikitra voalohany amin’ny Fampianarana eto Tolagnaro.
Fantatra fa volan’ny Faritra ANÔSY madiodio izay niarahana amin’ny Fitondrampanjakana no nentina nanamboarana an’ity Sekoly ity.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…