𝐊𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 π’πšπ›π¨π­π¬π² 𝐍𝐚𝐦𝐞𝐑𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐨𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 π‘πšπŸπ’π­π«πš π…π’π€πšπ¨π§πšπ§-𝐝𝐨𝐑𝐚 𝐈𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲

17 0
Nanatanteraka ny Fakan-kevitra teo anivon’ny SLC na ny Structure Locale de Concertation ny Kaominina Sabotsy Namehana androany, izay anato tetsy amin’ny Espace Anjara Tiaviana, Sabotsy Namehana,
Ity Rafitra Fikaonan-doha Ifotony ity, dia fivondronan’ny ankolafin-kery rehetra miasa ho fampandrosoana ny Kaominina, fantatra fa izao no natao, dia mba hahafahana mandrafitra ny tetibolan’ny Kaomina ny taona 2025 ho avy io.
Fa ankoatr’izay, dia natao indrindra ihany koa izy ity ho paik’ady entina handinihina ny Sara sy Haba hampiharina eto amin’ny Kaominina, araka ny fanazavana nataon’Andriamatoa HERINAINA Gabin, Ben’ny Tanana Mpisolon-toerana.
Mahakasika ireo tetik’asa manaraka ho tanterahin’ny Kaominina dia nambarany fa misy ireo efa nahazoana fankatoavana tamin’ny Filankevitry ny Tanana, dia ny fanitarana ny Jiro an-dalam-be, ary misy ihany koa ny fanaovaozana ireo loharano fatsakan’andriana, izay efa nolovaina tamin’ireo Razana efa nialoha lalana, ary tsy hadino ihany koa fikojakojana ny lalana izay efa hita mihasimba.
Nambarany anefa fa mason-tsokina ka izay kely hananana no ahiratra, manoloana ny fidiram-bolan’ny Kaominina, kanefa na dia izany aza dia tsy hitandro hasasarana isika fa hijery izay tena ilain’ny
Mponina

Related Post