Toamasina | hanangana andrimasom-pokonolona

333 0
Toamasina: Ankoatry ny fisafoana andro sy alina ataon’ny mpitandro ny filaminana,dia manentana ny vahoaka isam-pokotany mba hanangana andrimasom-pokonolona izy ireo.
Tonga nanatrika ny fivoriambem-pokonolona tao amin’ny fokotany Andranomadio 11/41,ny Polisy omaly alahady.
Resy lahatra avy hatrany ny vahoaka ,ka natsangana ny andrimasom-pokonolona,hanao ny fiambenana alina ao anatin’io fokotany io.Hanolo-tanana azy ireo amin’izany moa ny mpitandro ny Filaminana.
Natao izao mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…