π…πŽπ€π‘π€ π‘π„π™πˆπŽππ€π‹π˜ π…πˆπ‡π€π•π€ππ€ππ€ – π€π‹π€πŽπ“π‘π€ πŒπ€ππ†πŽπ‘πŽ

32 0
πŸ‘‰ Nanomboka ny Alatsinainy 12 Aogositra 2024 ny Foara Rezionaly Fihavanana Alaotra Mangoro izay tanterahina eto amin’ny renivohitry ny Faritra.
πŸ‘‰ Efa mameletra entana amin’ireo trano eva avokoa ny akamaroan’ireo mpandray anjara, na ireo ao amin’ny kianja Rasolonjatova na ireo eny amin’ny tsena.
πŸ‘‰ Dia be namakivaky ny tananan’Ambatondrazaka kosa kosa no nentina nanokafana izany androany Talata 13 Aogositra 2024 ka nandray anjara tamin’izany avokoa ireo solotena avy amin’ireo Distrika 5 ary samy naneho ny sombiny amin’ireo vokatra, fitafy, ary kolotsaina mampiavaka azy avy.
πŸ‘‰Nitarika io Diabe io moa ny Governora ary nanamafy fa hiavaka tsy toy ny fahita hatramin’izay ity Foara ity satria ahitana hetsika maro samy hafa na ara-panatanjahan-tena sy ara-koltoraly, hisy ihany koa ny fampiofanana sy famelabelaran-kevitra, ary indrindra fa ireo fampiratiana vokotra sy fitaovana maro samy hafa ataon’ireo mpandray anjara maro be.
πŸ‘‰ Nomarihan’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA ihany koa fa natao hoe Fihavanana ny anaran’ ity Foara Rezionaly 2024 ity mba handravonana ireo disadisa na ara-politika na ara-piarahamonina satria tsy misy asa fampandrosoana mandeha raha tsy misy ny fifankatiavana ary anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy indrindra fa isika aty anivon’ny Faritra ny Fitandroana ny Fihavanana ka nanehoana izany indrindra ny diabe izay natao nahitana ireo solotena avy any Anosibe An’Ala, Moramanga, Amparafaravola, Andilamena ary ny avy eto Ambatondrazaka.
πŸ‘‰ Ny Sabotsy 17 Aogositra 2024 izao kosa no hanaovana ny fanokanana amin’ny Fomba ofisialy ny Foara manomboka amin’ny 10 ora Maraina ao amin’ny Kianja Rasolonjatova izay hanasana ny vahoaka tsy ankan’avaka hanontrona izany, ary ny Alahady 18 Aogositra 2024 vao hifarana ny Foara Rezionaly Fihavanana.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

π™π€ππƒπ€π‘π˜ π‘πŽπ€ π’π€πŒπ˜ πŒπ€π“π˜ π€πŒππ„π‘πˆππ€π’π€

Posted by - octobre 31, 2024 0
π™π€ππƒπ€π‘π˜ π‘πŽπ€ π’π€πŒπ˜ πŒπ€π“π˜ π€πŒππ„π‘πˆππ€π’π€ (π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’Žπ’‘π’Šπ’‚π’π’‚-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 π’Šπ’“π’‚π’š π’π’Šπ’•π’Šπ’‡π’Šπ’•π’“π’‚ π’π’†π’‰π’Šπ’ƒπ’†π’π’š 𝒕𝒂𝒐 π’‚π’Žπ’Šπ’`π’π’š π‘ͺ𝑺𝑨𝑢 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 π’π’Šπ’•π’Šπ’‡π’Š-𝒕𝒆𝒏𝒂 π’Šπ’›π’š π’‚π’—π’š 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…