MANDRITSARA – HO AFAKA HAMPITOMBO VOKATRA VOKARINY NY TANTSAHA NISITRAKA FAMPITAOVANA ENTINA MAMBOLY

492 0
🔶 Miantoka ny fahafahan`ny tantsaha mamokatra amin`ny alalan`ny fambolena ny fananany fitaovana; maro amin`ny tantsaha mpamboly no mbola mampiasa paikady nentim-paharazana toy ny fampiasana omby. Marisarisa anefa izany ankehitriny satria mamely indraindray ny tsy fandriam-pahalemana ka vitsy ny tantsaha manana omby afaka entina miasa. Vahaolana maharitra amin`izy ireo ny fampiasana ny fitaovana manaraka ny toe-trandro, velombolo ireo tantsaha mpamokatra noho ny fisian`ny Fond de Développement Agricole iantsorohan`ny fanjakana foibe fiarahamiasa amin`ny banky iraisam-pirenena.
▪️Tsy latsa-danja ny tantsaha ato anatin`ny distrilan`i Mandritsara fa nisitraka tohana FDA ny mpamokatra miisa 206, izay mivondrona anatin`ny Fikambanana tantsaha 2, sy olon-tokana 34. Kaominina Mandritsara renivohitra, Antsoha, Marotandrano ary Antanandava no nisitraka izany. Motoculteur 01, charette 32, charrue 19, pulvérisateur 19, motopompe avec tuyau d’entré et de sortie 29, herse 15, Masomboly vary voafantina 200, Zezika 1000 ary vokatry ny fanafihadiana (etude) Tohadrano 4. Misy koa biby fiompy, reninkisoa nohatsaraina 48, lahinkisoa nohatsaraina 24, provande 2400 kg.
✦Atao laharam-pahamehana ny hisian`ny fahaleovantenan`ny tantsaha amin`ny asa fihariany hoy Talem~paritry ny FDA Sofia Razafimamonjy Albert. Isany niady nangataka fisitrahan`ny tantsaha tohana izao tany amin`ny fanjakana foibe ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Sofia, Ravohitra Donatien miaraka amin`ny Governoran`ny Faritra Sofia, Jeneraly Lylyson René de Rolland.
Tontosa androany alakamisy 08 aogositra maraina ny fizarana fitaovana ireto tetsy amin’ny stade municipal,nanotrona izany teny ny solontenam-panjakana sy solontenan’ny solombavmbahoaka.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…