FANAMARIHANA NY « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024  »

248 0

Notanterahina taty amin’ny Faritra Boeny, teto amin’nyRenivohitry ny Faritra teto Majanga ny faha 03 ka hatramin’ny faha 05 volana Aogositra taona 2024 lasa teo ny « Festival de l’Ecologie 2024 ». Hetsika iray nokarakarain’ny Fikambanam-behivavy FARM ( Femmes en Action Rural de Madagascar), niarahan’izy ireo tamin’ny Fikambanan’ny Tanora RJDD

Tamin’ny alalan’ity hetsika ity no nanamafisan’izy ireo ny hai-taky amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanentanana amin’ny fifehezana ny fako plastique, ary indrindra ny hijerena manokana ireo vokatra simika izay tena mandripaka ny zava-manan’aina ao anaty ny tontolo iainana.

Hetsika maro loko no nentina nanamarihana izany andro izany , niantomboka tamin’ny filaharam-be namakivakay ny tanana, narahina teny fanentanana samy hafa, tsy latsa-danja ihany koa ny hira izay niompana indrindra ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tonga nitarika ity « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024  » Ramatoa Filoha Nasionaly ny Fikambanana Farm, Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia, izay nanatitratitra tamin’ny lahateny nataony fa tsy maintsy harovan-tsika ny tontolo iainana mba ho lova sarobidy hapetraka hoan’ny taranaka mifandimby.

 

FIOFANANA SY FIANARANA HAI-RAHA

Fa ankoatry ny hetsika nanamarihana ny « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024  » dia niatrika fofaana maro lafy ihany koa ireto Fikambanam-behivavy FARM ireto, anisan’izany ny fiofanana manokana manoloana ny ady hatao amin’ny herisetra, na mivantana na ankolaka.

Tao ihany koa ny fiofanana mahakasika ny fanaovana ranon-tsavony, izay tena ilaina amin’ny andavanan’androny vehivavy tokoa, Mpampiofa niofana manokana mahakaska ny fanaovana Savony  no nitondra ny fiofanana.

Teo ihany koa ny fiofanana mahakasika ny fahaiza-mitarika, izay nampanaovin’Ramatoa Filoha.

Tiana ny manamarika, fa saika nahatonga solon-tena avokoa ny faritra rehetra nandritr’izao  « FESTIVAL DE L’ECOLOGIE 2024  » izao.

Fantatra fa any Vakinankaratra indray no hankalazaina ity hetsika ity amin’ny taona ho avy

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - août 12, 2025 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐕𝐀𝐙𝐎, 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐋𝐎(𝟎𝟖) 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐏𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟐𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘 Vita ny BAC…