ZAZAVAVY MPILALAO ECHEC HITA FATY TENY NANISANA: NY SAKAIZANY IHANY NO NAMONO AZY ARY HATOLOTRA NY FAMPANOAVANA ANDROANY

305 0
ZAZAVAVY MPILALAO ECHEC HITA FATY TENY NANISANA: NY SAKAIZANY IHANY NO NAMONO AZY ARY HATOLOTRA NY FAMPANOAVANA ANDROANY
βœ…οΈ Voasambotry ny Polisin’ny BC2 tao an-tranon’ny ray amandreniny teny Analamahitsy ny alahady 21 jolay 2024 teo ny lehilahy 28 taona izay nandona an’i Miah tamin’ny fiara teny Nanisana ka nahafaty azy.
πŸ‘‰Taorian’ny nahafatesan’ity tovovavy mpialalao echec ity ny 17 jolay 2024 teo dia nanokatra fanadihadiana ny Polisy . Tsikaritra fa tsy tonga nanatri-maso ny razana teny am-bohitra ny sakaizan’ity tovovavy ity. Nanaitra ny Polisy izany tranga izany ary nampisy ahiahy manoloana ity tovolahy ity.
πŸ‘‰ Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa nifanao fotoana hiazakazaka maraina izy roa ny andron’ny 17 jolay 2024. Nilaza ny tsy andeha indray anefa ity tovolahy ity rehefa tonga ny fotoana hiazakazahana. Nitondra fiara izy ny andron’io ary nodominy ilay tovovavy ka maty tsy tra-drano.Raha ny fantatra dia nitoe-jaza i Miah ka izay no anisan’ny antony namonoany azy rehefa tsy nanaiky ny hanesorana ilay zaza.
🚨 Hatolotra ny Fampanoavana androany 23 juillet 2024 ny raharaha.

Related Post

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…