DISTRIKA MIANDRIVAZO SY MANDOTO ARY TSIROANOMANDIDY HAMETRAKA FANDRIAM_PAHALEMANA IRAISANA

518 0
Ny sabotsy 20 jolay no notanterahina tao amin’ny fokotany Madiokely izay efi-tany mampisaraka ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Miandrivazo ary Mandoto ny fampivondronan-kery teo amin’ny zandary miasa amin’ny distrika telo mpifanilambodirindrina izay notarihin’ny komandin’ny vondrotobim-paritra isany,
Miandrivazo,Tsiroanomandidy Ary ny lefitra voalohany ny komandin’ny vondrotobim-paritra Mandoto.
Vahoaka an’arivony mahery no tonga niaraka tamin’ireo ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Belobaka sy Anjomaramartine ary Dabolava.
✅Nisy ny fifampizarana traikefa mahomby tamin’ireo zandary miasa ao anatin’ny distrika telo momba ny paik’ady amin’ny tsy fandriampahalemana,
✅Ary tapaka tamin’izany fa hamafisina ny fifanomezan- tanana eo amin’ireo mponina sy zandary ao anatin »ny kaominina mpifanilambodirindrina mba hisorohana ny asan-dahalo.
✅Ho an’ny distrikan’i Miandrivazo dia efa nahitana vokatra noho ny fiaraha-miasa ny mpian-tsehatry ny fandriampahalemana rehetra.
✅Hanaovana tanamaro toy izany koa ao anatin’ny fotoana fohy,araka ny tapaka ny hametrahana fandriampahalemana ao anatin »ny kaominina Anjomaramartine distrikan’i Mandoto,Belobaka sy Bemahatazana samy distrikan’i Tsiroanomandidy.
✍️Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐅𝐌𝐀𝐀𝐓𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 – 𝐓𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐬𝐚𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 22, 2024 0
𝐅𝐌𝐀𝐀𝐓𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 – 𝐓𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐬𝐚𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 (Nisitraka fampitaovana mamaly filana…