Tonga eto Toamasina ireo Mpanjaka Telo troky avy any Vangaindrano

433 0
TOAMASINA : Tonga eto antoerana ireo Mpanjaka Telo troky avy any Vangaindrano,nampivory ary nandamina ny raharaha izay misy akehitriny.
Nanamafy izy ireo fa iray ihany ny Telo troky ( Zanak’i Vangaindrano) fa tsy mizara roa , ary mbola Atoa NDRORANGO ihany no Mpanjaka Telo troky eken’izy ireo eto Toamasina.
Manao antso avo mba hanamafisana ny firaisan-kinan’ny Zanaka Tesaka eto Toamasina izy ireo ,ary nanentana fa tsy tokony hatao fitaovana hazahoana seza politika ny Telo troky. Naneho ny alahelony izy ireo manoloana ny fisian’ireo olona minia mampizarazara ny Tesaka eto Toamasina.
Io no votoatin’ny tafa nataon’ny Mpanjaka Zafimananga Atoa Leandre sy ny Mpanjakan’ny Maroroky Atoa Thomas izay avy any Vangaindrano,tamin’ny Mpanao Gazety taorian’ny fivoriana natao tao amin’ny tranon’ny lonaky Morarano Analakinina Androany.

Related Post

TILY ETO MADAGASIKARA

Posted by - décembre 28, 2024 0
Hetsika Goavambe no hatolotry ny Tily Analamanga Avaratra rahampitso 29 Desambra 2024 iarahana @ #Ampifitia. Hetsika amaranan’ny Tily Analamanga Avaratra…

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…