Tonga eto Toamasina ireo Mpanjaka Telo troky avy any Vangaindrano

369 0
TOAMASINA : Tonga eto antoerana ireo Mpanjaka Telo troky avy any Vangaindrano,nampivory ary nandamina ny raharaha izay misy akehitriny.
Nanamafy izy ireo fa iray ihany ny Telo troky ( Zanak’i Vangaindrano) fa tsy mizara roa , ary mbola Atoa NDRORANGO ihany no Mpanjaka Telo troky eken’izy ireo eto Toamasina.
Manao antso avo mba hanamafisana ny firaisan-kinan’ny Zanaka Tesaka eto Toamasina izy ireo ,ary nanentana fa tsy tokony hatao fitaovana hazahoana seza politika ny Telo troky. Naneho ny alahelony izy ireo manoloana ny fisian’ireo olona minia mampizarazara ny Tesaka eto Toamasina.
Io no votoatin’ny tafa nataon’ny Mpanjaka Zafimananga Atoa Leandre sy ny Mpanjakan’ny Maroroky Atoa Thomas izay avy any Vangaindrano,tamin’ny Mpanao Gazety taorian’ny fivoriana natao tao amin’ny tranon’ny lonaky Morarano Analakinina Androany.

Related Post

𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞 —- Toamasina: Nahazo tombony ny vahoaka ao Tanambao…