TOAMASINA | NASONDROTRA HO COMMISSAIRE PRINCIPAL DE POLICE NY TALEM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOANA.

285 0

Ny Zoma faha 19 Jolay, 2024 no nasondrotra ho amin’ny laharam-boninahitra Commissaire Principal de Police , Andriamatoa RAKOTOVAO Jean Christian, izay Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto amin’ny faritra Atsinanana. Lanonana izay natao tao Antananarivo

Raha arak any fanamarihan’ireo niara-niasa taminy akaiky dia nohon’ny ezaka vitany indrindra tamin’ny lafiny fametrahana ny fandriama-pahalemana sy ireo traikefa nananany no anton’izao fisodrotam-boninahitra izao.

Raha tsiahivina dia efa niasa tany Ambositra izy, avy eo nalefa nitantana  aty Toamasina ka tao amin’ny Commissariat Tanambao II no niantombohany , mbola izy ihany koa no nitantana ny Commissariat Central de Toamasina, ary izao izy lasa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka izao.

👉Eto izahay dia miarahaba azy manokana amin’izao fahazoana GALONA izao satria mendrika ho azy izany.

Misondrota amin’ny avo indrindra Andriamatoa TALE

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

Posted by - novembre 12, 2023 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.   Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana…