Rehefa tafiditra teto Madagasikara ny tafika frantsay ny taona 1895 dia nitondra koa ny fitaovana fangalana sary ka nentiny nanasokajiana ireo fivondronan’olona izay nifanena tamin-drizareo na nanohitra ny fampandrian-tany nataon-drizareo. Isan’ireny ito miaramila izay nanan-talenta tamin’ny fangalana sary ka nanaraka sy nitatitra an-tsary ireo ady fanjanahan-tany nataon’ny tafika frantsay na tany INDOCHINE ary indrindra taty amintsika MADAGASIKARA.
Ny anarany any amin’ny arsiva dia Alphonse Edgard Jean Imbert izay teraka tany Cherbourg any Frantsa ny datin’ny 19 desambra 1873. Niditra miaramila teo anivon’ny tafika frantsay ny tenany ny taona 1894. Ny taona 1898 izy no niofana ho manamboninahitra tao amin’ny sekoly miaramila any Saint-Maixent ka nivoaka lietna iray taona lasa tao aoriana.
Nanaraka ny tafika frantsay ny tenany tao aorianan’izany daty izany ka nitety firenena roa. Ny voalohany tamin’ny diany ka nangalany sary dia tany Indochine ary ny farany taty Madagasikara. Nanamarika hatrany an-tsary no nataony tamin’ireny ady na ny fampandrian-tany izay nataon’ny tafika frantsay ireny. Nanana rahalahy iray tampo taminy koa ny tenany, Jules Imbert ny anarany, ka nisehatra koa tamin’ny fitaterana an-tsary ireo ady fanjanahan-tany nataon’ny tafika frantsay na tany Afrika na tany Asia. Raha arakin’ny fitanisana eo anivon’ny arsiva dia mitentina 14000 ny sary nalain’izy mirahalahy ka maneho ireo ady fanjanahan-tany nataon’ny tafika frantsay. Ny entiko eto aminareo dia sarin’ireo Malagasy avy any atsimo sy atsimo andrefan’ny nosy iny, rebelle moa na fahavalo no fanasokajian-drizareo azy, izay nanohitra ny fidiran’ny tafika frantsay rehefa niditra tao an-toerana.
Ny hery entina miady anefa tsy mitovy ka tsy mahagaga raha maro ny mahery fo voasambotra azo babo ka nosazian-drizareo tifirina ho faty sy ho tapahin-doha arakin’ny rakitsary maneho azy.
RANGERS TSIHALIGNO