Ito misy taratasy nalefan’ny namana iray izay mpanaraka ahy eto ka ny nanoratra azy dia ny Ben’ny tanana ao TOAMASINA ka navantany amin’ny Ministrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny datin’ny 18 jona 2024 ilay taratasy no nalefany tany amin’io sampan-draharaha mpanjakana io. Ny voatoatiny dia fangatahana ny fanovana ny anarana ny lalambe RATSIMILAHO ho lalambe ANDRY NIRINA RAJOELINA.
Toy izao ny fandrafetany ny fangatahany satria rava ny rivodoza HONORINA io lalambe io tamin’ny taona 1986 dia mbola namotika azy koa ny rivodoza nanaraka GERALDA ka tsy nisy fotodrafitrasa fanarenana azy efa nandritra ny 10 taona garangidiny raha arakin’ny nambarany. Ny fitondrana ankehitriny no isaorany satria nanamboatra indray io lalambe io ka nahatonga azy Ben’ny tanana hangataka ny hanovana ny anaran’ny lalambe RATSIMILAHO ho lalambe ANDRY NIRINA RAJOELINA. Eny ambany ho fanohanany ny fangatahany dia marihiny fa olon-tsotra sy fikambanana maromaro no lazainy fa nanatona azy ka nahatonga azy nanao ito fangatahana fanovana anarana ito.
Ny fanontanina mipetraka dia izao : Eo amin’ny lafiny ara drafitra aloha nanaraka ny dingana voalohany arahina ve ny Ben’ny tanana raha namolavola izao fangatahana izao. Ny antony dia satria tsy maintsy mandalo filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny monisipaly izay rahahara mahakasika ny tanana izany.
Faharoa manaraka izany tsy vola niala tany ampaosin’ny filoha ankehitriny anie izany ezaka fotodrafitrasa izany fa volam-bahoaka no nampiasainy ka tsy tokony ampifangaroana.
Fahatelo raha arakin’ny tantara nolovana dia RATSIMILAHO no nampitambatra ny vahoaka tany amin’ny faritra atsinana iny ka BETSIMISARAKA no nofidiny ho anaran’izany fivondronan’olona izay nanaiky ho feheziny izany. Izy koa no nandrafitra ny tantaran’ny tanana TAMATAVY rehefa nifanambady tamin’ny printsetsy sakalava nantsoina hoe MATAVY ary zanakin’ny mpanjaka RAMAHAZOKY avy ao BOMBETOKA. Ka avy amin’ny vadiny MATAVY no nangalana ny anaran’ny tanana ho TAMATAVY (fa tsy e ny farany). Ka ho fafana ve ny tantara raha raisina izao fangatahin’ny atoa Ben’ny tanana Izao ? Ny tsirairay no afaka mamaly izany fanontaniana izany.
RANGERS TSIHALIGNO