πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – πŒπ€ππ€π-πŠπ€π‘π„ππ€ 𝐇𝐀𝐙𝐀𝐍-πƒπ‘π€ππŽ 𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ πŠπ€π‹π€ππƒπ˜ (𝑴𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐 π’‚π’Žπ’Šπ’`π’π’š π’Žπ’Šπ’π’Šπ’”π’•π’†π’“π’‚ π’•π’π’Žπ’‘π’π’`π’‚π’π’…π’“π’‚π’Šπ’Œπ’Šπ’•π’“π’‚ π’π’š 𝒃𝒆𝒏`π’π’š 𝒕𝒂̀𝒏𝒂𝒏𝒂)

✦ Miavaka raha ampitahaina amin`ny kaominina 29 misy ao anatin`ny distrikan`i Mandritsara ny kaominina ambanivohitra Kalandy. 25 km mianavaratra manaraka lalam-pirenena faha-32 no ahitana azy. Ny fambolena sy ny fiompiana no velon-tenan`ny 95% ny mponina ao, mampiavaka azy ny fananany farihy vaventy misy hazan-drano (Kofalia, Betampiana, Belomotra, Ankaboka, Ankitrevo, Ampatdifatsy, Milanja ary Lagnilezagna. Farihy ireo no mamatsy trondro lena Mandritsara renivohitra efa taona maro.

Manao antso ny Ministera tompon`andraikitra ny ben`ny tanana, Bebe Alin Andriamandimby mba hitodihana ireo mpisehatra amin`ny fiompiana trondro sy fanaratozana trondro izay. Mangetaheta hahazo fiofanana ireo tantsaha satria mbola miaina amin`ny tontolon`ny nentim-paharazana izy ireo amin`ny andavanan`andro rehefa manjono. Efa filamatra ny kaominina ambanivohitra Kalandy ary ho tonga fitaratra raha toa ka tanteraka ny fitsinjovana kaominina ity amin`ny sehatry ny jono izay. Efa natao famantarana amin`ny renivohitry ny kaominina rahateo ny sary vongan`ny trondro izay manamarika fa tena iankinan`ny fiharian`ny mponina ny trondro.

Nangonin’i Claudio