πππππππππππ – πππππ-ππππππ πππππ-πππππ ππ πππππππππ πππππππππππππ πππππππ (π΄ππππ πππππ ππππ`ππ πππππππππ ππππππ`πππ ππππππππ ππ πππ`ππ ππΜππππ)
β¦ Miavaka raha ampitahaina amin`ny kaominina 29 misy ao anatin`ny distrikan`i Mandritsara ny kaominina ambanivohitra Kalandy. 25 km mianavaratra manaraka lalam-pirenena faha-32 no ahitana azy. Ny fambolena sy ny fiompiana no velon-tenan`ny 95% ny mponina ao, mampiavaka azy ny fananany farihy vaventy misy hazan-drano (Kofalia, Betampiana, Belomotra, Ankaboka, Ankitrevo, Ampatdifatsy, Milanja ary Lagnilezagna. Farihy ireo no mamatsy trondro lena Mandritsara renivohitra efa taona maro.
Manao antso ny Ministera tompon`andraikitra ny ben`ny tanana, Bebe Alin Andriamandimby mba hitodihana ireo mpisehatra amin`ny fiompiana trondro sy fanaratozana trondro izay. Mangetaheta hahazo fiofanana ireo tantsaha satria mbola miaina amin`ny tontolon`ny nentim-paharazana izy ireo amin`ny andavanan`andro rehefa manjono. Efa filamatra ny kaominina ambanivohitra Kalandy ary ho tonga fitaratra raha toa ka tanteraka ny fitsinjovana kaominina ity amin`ny sehatry ny jono izay. Efa natao famantarana amin`ny renivohitry ny kaominina rahateo ny sary vongan`ny trondro izay manamarika fa tena iankinan`ny fiharian`ny mponina ny trondro.
Nangonin’i Claudio




